Ambohibao : Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny maraina teo
22 Martsa, 09h30. Fiara fitanteram-bahoaka zotra Ivato no nifandoana tamin’ny kodiaran-droa ny maraina teo. Teo amin’ny « intersection » hiakatra Ambohibao no niseho ny loza. Nipitika teo amin’ny 10 na 15 metatra ilay kodiaran-droa ary potika tanteraka. Torana kosa ilay nitondra azy ary efa nentina tany amin’ny hopitaly.
