Ramatoa nanindrona antsy ny zanany
31 May, 10h00. Zazavavikely vao fito taona monja no notsondromin’ny reniny ny antsy ny sabotsy lasa teo tetsy Ankadindratombo. Nirahany nangataka ity zaza ity raha ny fantatra saingy tsy nitondra vola nody ka izao notsondrominy ny antsy izao. Efa any amin’ny hopitaly ity zaza ity amin’izao ary efa eo ampelan-tanan’ny manam-pahefana kosa ilay reny nahavanon-doza.
