Antsirabe: Vehivavy voafonja 70 nisitraka fanomezana avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina
07 Martsa, 08h30. Tonga namangy sy nampahery an’ireo vehivavy voafonja tao Antsirabe sy ankizy taizana ao amin’ny Akany Fanantenana Antsirabe, ny Talem-paritry ny Mponina Vakinakaratra ny alahady teo. Vehivavy voafonja 70 sy ankizy 30 no nisitraka fanomezana tamin’izany. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fankalazana ny andron’ny 08 martsa io hetsika io ary tsiahivina fa i Antsirabe no ivon’ny fankalazana nasionaly.
