Dépêches

Mandritsara : Vehivavy iray indray no hita faty

07 Martsa, 09h00. Vehivavy iray tombanana eo amin’ny 30 taona eo ho eo no hita faty teo amoron’ny farihin’i Matsabory Fagnilo, Fokontany Ambodivoarabe Kaominina ambanivohitra Pont Sofia Distrikan’i Mandritsara. Nandeha naka vola tamin’ny Mvola tao Pont Sofia no nialany tao aminy tao Antanantsara kaominina ambanivohitra Ankiabe Salohy ny 1 martsa teo.

Nanao filaza fikarohana isaky ny fokontany tao anatin’ny Kaominina Pont Sofia ny fianankaviany nanomboka tamin’ny alarobia 02 martsa ary tonga hatrany amin’ny toerana nakany vola. Nilaza io olona naany vola na « cash point » io fa nandalo teo aminy tokoa io vehivavy io.

Omaly alahady 06 martsa tokony tamin’ny 05 ora ariva teo kosa no hita ny razana rehefa nisy alika nikarokaroka. Vatana efa simba tanteraka no hita tamin’izany tokony ho 2km tsy hidirana amin’ny tanànan’i Ambodivoarabe.

Tonga teny an-toerana Zandarimaria avy Pont Sofia sy dokotera nandeha nijery ny zava-niseho. Hita  fa tapa-doha io vehivavy io, tapaka ihany koa ny tananany ary efa simba ny maha vehivavy azy ary tsy nisy lamba intsony teny aminy. Efa tsy teo aminy ihany koa ny volany sy ny findainy.

Efa natomboka kosa ny fanadihadina mahakasika ity raharaha ity.

Laisser un commentaire