Tohin’ilay lozam-pifamoivoizana tany By Pass
20 Aprily, 10h00. Niakatra fitsarana omaly Alatsinainy 19 Avrily ilay mpamily ny fiara raha notanana tany amin’ny Brigadin’ny Zandarimariam-pirenena aloha niaraka tamin’ny Mpanampy azy sy ny tompon’ilay fiara ary ny mpamily ilay Camion nifandona taminy ary ny mpanampy azy. Ireto farany kosa navoaka vonjimaika ny fonja raha nalefa teny Antanimora ilay mpamily ny Sprinter. Efa nanakatona sy tsy nandray an-tanana ity raharaha ity intsony ny Zandary Ambohimangakely nanomboka ny Sabotsy 17 avril teo.
