Rivo-doza Freddy: Tafiakatra 10 ireo olona namoy ny ainy
Dépêche 09 mars, 10h, Miisa 10 indray amin’izao fotoana izao ireo olona izay namoy ny ainy vokatry ny fiverenan’ny rivo-doza Freddy. Faritra miisa 5 no voakasik’izany dia i Atsimo Andrefana, Androy, Amoron’ny Mania, Ihorombe ary Menabe. Miisa 3 kosa ireo izay tsy hita popoka ary nitombo 72 351 ireo olona traboin ka avy amin’ny tokantrano 16 524 izany. Efa voaray arak any fepetra takiana handraisana ny traboina ireo olona ireo izay mitsinjara amin’ny toerana vonjimaika miisa 34. Hirariana ny hiverenan’ireo mponina amin’ny tranony hahafahany miverina amin’ny fiainany andavan’andro indray.
