Herinaratra : Afaka hiasa amin’ny faran’ity taona ity ilay toby mpamokatra vaovao
Nametrahana toby mpamokatra herinaratra vaovao eny Ambohimanambola amin’izao fotoana izao. Vinavinaina ho vita 100% ka afaka hampiasaina izy io amin’ny farani’ty taona 2023 ity. Misy “groupes” mitondra herinaratra 15MW miisa 7 vaovao eny ka hahatratra hatramin’ny 105MW araka izany ny herinaratra vaovao ho vokariny. Heverina ho vita tanteraka ny asa rehetra amin’io faran’ny taona io saingy mialoha izany dia efa hanomboka hiasa tsikelikely ny ampahany efa tomombana. Ny anton’izany dia noho ny fahamaizana izay misy eton Madagasikara amin’izao fotoana izao. Anisan’ny tanjona amin’ny fananganana ity ihany koa ny hampidina ny vidin’ny KWh isan-tokan-trano
