ActualitésTatitra

Agronomes et vétérinaires Sans frontières : Manohana ny fambolen’ny tantsaha

Fikambanana frantsay miasa ho an’ny firaisankina iraisam-pirenena ho fanohanana ny fambolen’ny tantsaha ny AVSF (Agronomes et vétérinaires sans frontières). Miasa tsy mitady tambiny izy io (à but non lucratif) ary mivondrona ao amin’ny GIP RESACOOP sy ny fikambanana Coopération SUD.

Tamin’ny taona 2005 no niorina io fikambanana io ary sampana iray tamin’ny VSF (Vétérinaires sans frontières) niorina tamin’ny taona 1983 sy ny CICDA (Centre international de coopération pour le développement agricole) niorina tamin’ny taona 1977 izany. Manana tanjona 3 lehibe io fikambanana io : ny fisitrahana sy ny fitantanana ny harena voajanahary (rano, tany, ala); ny fampandrosoana ny fiompiana sy ny fahasalaman’ny biby; ny fanodinana ny vokatra azo amin’ny fambolena sy ny fidirana amin’ny tsena ny firenena sy iraisam-pirenena, indrindra amin’ny alalan’ny varotra ara-drariny.

Misy amin’ny kaontinanta telo, izay mitsinjara amin’ny firenena 18, kosa ny AVSF. Isan’izany i Madagasikara.

Laisser un commentaire