Fiherenana Toliara: Arahi-maso akaiky ny rano eo amin’ny fefiloha noho ny rivo-doza Freddy
Dépêche 07 mars, 11h, Mbola mitoetra hatrany ny ora-mikija any amin’ny faritry Toliara hatramin’ny alina. Efa manomboka miakatra ny rano ka araka izany dia arahi-maso akaiky ny fefiloha Fiherenana hatramin’ny alina izany. Mba tsy hiverenan’ny loza toy ny ny tamin’ny taona 2013 dia misy tompon’andraikitra mpanara-maso manokana izany rano izany. Nandraisana fepetra ihany koa ny mponina manodidina ka efa nafindra toerana hialana amin’ny loza mety hitranga.
