Fonjan’ny Toliara: Nirodana ny tamboho, tsy nisy tafatsoaka ireo gadra.
Dépêche 07 mars, 12h, Noho ny rivotra mahery be izay niaraka tamin’ilay rivo-doza Freddy dia nirodana ny tambohon’ny fonja ao Bazar Be Toliara. Tsy nisy kosa anefa ireo gadra izay tafatsoaka na iray aza tao anatin’izany rehetra izany. Tsy afaka havoaka ny trano araka izany ireo voafonja ka mangataka ny fanarenana farany izay haingana ny simba ny lehiben’ny fonja. MIrefy 50m eo ho eo ny manda izay nahitana faharavana.
