Dépêches

CENI: Nanomboka omaly ny fitsirihana (audit) ny lisi-pifidianana

Dépêche 21 mars, 11h, Nanomboka omaly alatsinainy 20 martsa ny fitsirihana ny lisi-pifidianana sy ny rejisitra nasionalin’ny fifidianana. Ny Organisation Internationale de la Francophonie no manao izany hetsika izany izay haharitra telo andro ka havoaka ampahibe-maso ny valiny ny 24 martsa izao. Ny tanjona amin’izany di any hamoahana rejisitra azo antoka hampiasaina mandritra ny fifidianana. Natao ihany koa hanesorana ny ahiahin’ny olom-pirenena mahakasika ny lisi-pifidianana. Hisy ihany koa ny teboka ho fanatsarana ny lafiny fifidianana aorian’ny fivoriana izay tanterahina.

Laisser un commentaire