Seychelles : Hetsika misarika olona maro ny « festival de parachutisme »
Hotontosaina ny 30 martsa hatramin’ny 5 aprily izao ny hetsika « festival de parachutisme » ao Seychelles. Olona mpakafia « parachutisme » maro no handray anjara amin’izany. 75 izy ireo no andrasana amin’ity andiany ity, izay avy amin’ny firenena maro samihafa raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
Klioba iray ao amin’ny nosy Praslin, izay nosy isany be mpitsidika indrindra amin’ireo vondronosy ao Seychelles kosa no mikarakara io hetsika io. Mahazo ny anjarany avokoa ireo mpandray anjara amin’izany na ireo vao nanomboka na ireo efa matihanina. Sehatra iray afaka ampitoboroboana ny tontolon’ny fizahan-tany kosa ny « parachutisme » hoy ny tompon’andraikitra. Olona manamanan-katao avokoa mantsy hoy izy ireo mpakafia io taranja io ary maro ireo miaraka amin’ny fianakaviany makao amin’ny nosy noho izany antony izany.
Mbola hitohy kosa ny hetsika aorian’io andiany io. Vinavinaina ho tontosaina any amin’ny faraparan’ny volana aprily mitohy mey any izany.
