ActualitésTsidika

Fanjarian-tsakafo: Mahasolo vary ve ny apemba?

Hahafahana manatratra ny tanjona mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia misy ny soso-kevitra avy amin’ireo firenena matanjaka ho an’ny Madagasikara. Anisan’izany I Inde izay nanolotra vahaolana ny hampiroboroboana ny voly apemba sy ny fampiasana ny apemba ho foto-tsakafo. Ny apemba izay manan-kerana otrikaina sy mora ambolena amin’ny faritra rehetra.

“Ity voamadinika ity dia afaka maniry any amin’ny tany maina ary velona amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Any amin’ny faritra maina dia ampemby no hany vokatra azo jinjaina mandritra ny vanin-taona mafana. Manome rakotra zavamaniry ho an’ny faritra maina izy io ary mampihena ny fahapotehan’ny tany, mampiroborobo ny fahasamihafan’ny zavamananaina ary mandray anjara amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny tany ihany koa”, hoy ny avy amin’ny Masoivohon’ny Inde nandritra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny apemba ny 17 martsa lasa teo.

Ny apemba dia manankarena gliosida sy proteinina. Loharanon’ny mineraly (phosphore, potassium) sy vitamina koa izy, indrindra fa ny vitamina B. Izy ity izay tsy be menaka sady be fibre no mahatonga azy ho mpiara-miasa amin’ny fandanjalanjana ara-tsakafo. Azo alzaina ho mahasolo ny vary ve araka izany ny apemba?

Mbola tsy mitana anajara toerana lehibe izy ity amin’ny fambolena eto Madagasikara saingy efa betsaka ihany koa ireo hetsika isan-karazany hampiroboroboana ny fambolena azy. Mifanaraka amin’izany dia tokony hisy ihany koa ny fampianarana ny Malagasy ny fomba fikarakarana azy raha ho atao sakafo ihany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire