ActualitésTsidika

Alasora : Nahazo kaomandin’ny brigady vaovao  ny zandarimaria

Nahazo kaomandin’ny brigady vaovao, ny tobi-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Alasora. Ny fiandohan’ny herinandro teo no nandray ny toeran’ny CB teo aloha ny GPHC ANDRIANTSOAVINA Rijavola (CB RIJA), izay voatendry handray izany asa izany.

«Vita ny asa nankinina tamiko teto amin’ny faritra iadidian’ny zandarimaria Alasora. Ny tenako no nandao noho ny fanendrena vaovao, fa ny saiko sy ny fitiavako kosa dia mitoetra foana. Raisina ho adidy hatrany raha misy ny fifanampiana amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaomandin’ny brigady » hoy ny CB teo aloha.

« Maro ny asaa miandry ho fampandriana ny fahalemana sy ny filaminan’ny vahoaka. Manantena vokatra tsara eo amin’izay lafin’ny tsy fandriam-pahalemana izany ny mponina eto an-toerana,  indrindra amin’izao fotoana mahabe ny asa ratsy izao » hoy i Théophile, mponina ao Alasora.

 Tonga nitsidika ny ben’ny tanàna sy ireo mpanolontsaina ao amin’ny kaominina ity moa ity kaomandy vaovao ity ny Alatsinainy teo. Nisy ny dinidinika natao sahady ho fanatsarana ny fandriam-pahalemana tao anatin’izany, araka ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire