ActualitésTsidika

Baolina Kitra : Hisy ny fankasitrahana ireo mpilalao ao Ambohimangakely

Hotanterahina ny alahady 6 martsa ho avy izao ny hetsika ho fankasitrahana ireo mpilalao baolina kitra ao Ambohimangakely. Marihina fa izy ireo no nibata ny fandresena nandritra ny lalao nifaninan’ireo kaominina rehetra eto Avaradrano.

« Eny amin’ny kianjan’ny Frera Ambohimangakely no hanatanterahana ny hetsika ny Alahady ho avy izao, entina hankasitrahana ireo mahery fon’ny kaominina. Hisy ny mpanakanto tsy ampoizina sy fanolorana fanomezana mitentina 2 tapitrisa Ariary ho an’ireo mpilalao » hoy i Rasoava Rivo, Tompon’andraikitry ny Fanatanjahan-tena ao amin’ny kaominina Ambohimangakely.

« Fotoana lehibe ahafahanay mankasitraka ireo nisolo tena anay sy niady ny voninahitry ny kaominina io Alahady io. Mafy ny mpifanandrina fa niezaka hatrany ireo mpilalao » hoy i Bruno, raim-pianakaviana monina ao Ambohimangakely. Nandresy ny Ekipan’ny Kaominina Alasora tamin’ny isa 3 noho ny 2 izy ireo.

Niady tokoa ny baolina, ary ny mandresy tsy hobiana ary ny resy tsy akoraina. 

Laisser un commentaire