ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Polisy iray nanolana vehivavy 24 isa

Niaiky i David Carrick nandritra ny fitsarana azy ny alatsinainy teo tao Londres fa nanolana vehivavy efatra hafa indray. Raha tsiahivina nefa dia efa niaiky izy ny 13 desambra teo fa nanolana vehivavy 20 isa ary nanao herisetra ara-nofo tamin’ny vehivavy 23 isa hafa.

Teo anelanelan’ny taona 2003 sy 2020 no nisehoan’ireo trangam-panolanana nataon’i David Carrick io izay marihana fa polisy. Ny volana oktobra 2021 izy no nosamborina noho ny fitoriana voalohany nataona vehivavy iray taminy ary taorian’izany dia nifanesy ireo vehivavy nanameloka azy.

Vehivavy tao amin’ny tambajotra sosialy sy tany anaty alim-pandihizana ny ankamaroan’ireo niaran’ny herisetran’i David Carrick. Nanarararotra ny naha mpitandro ny filaminana azy izy nakana ny tokin’ireo vehivavy. Mbola andrasana kosa ny fijoroana vavolombelon’ireo vehivavy hafa hoy ny « inspecteur en chef » Iain Moor.

Laisser un commentaire