Ambohimalaza : Ravan’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy
Tambajotran-jiolahy efa mpamaky trano sy mpangalatra eny amin’ny faritra Ambohimalaza no ravan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohimalaza. Efa nikoizana amin’ny fanaovana asa ratsy amin’ny vaky trano sy ny halatra eny an-toerana ireo jiolahy tratra ireo, raha ny voalaza.
« Nandritra ny fandehanana teny ifotony, rehefa nahazo vaovao mari-pototra sy nahazo alalana hanao ny fisavana ny tranonin’ireo olona mampiahiahy, avy amin’ny fitsarana mahefa no nahatratrarana ireo olon-dratsy niaraka tamin’ireo entana izay nangalarin’izy ireo » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
« Nisy tamin’ireo jiolahy tratra ireo moa ny mpamaky trano mivantana, misy ny mpiray tsikombakomba ary ny mpitahiry ny entana halatra. Marihina fa mpiray tampo ny ankamaroan’izy ireo » hoy hatrany ireo zandary.
Efa natolotra ny fitsarana avy hatrany moa ireto jiolahy ireto, izay marihina fa miisa enina. Nahiditra am-ponja vonjy maika ny efa-dahy tamin’izy ireo, raha nahazo fahafahana vonjimaiia kosa ny vehivavy roa. Efa naverina amin’ny tompony kosa ny entana very.
Manitra Ramanantsoa
