France : Vehivavy roa no nitsambika teo amin’ny tetezana Caille
Vehivavy roa no nitsambika teo amin’ny tetezana Caille tao Allonzier, Haite-Savoie ny herinandro lasa teo. Ny androan’ny alakamisy 16 febroary manodidina ny 11 ora atoandro no niseho ny tranga. Vehivavy iray no nitsambikina teo amin’ny tetezana eny amin’ny 150 metatra miala ny tany ary fotoana vitsy taorian’izany dia nisy vehivavy iray nitsambikina nanaraka azy ihany koa.
Marihina nefa fa tamin’io fotoana nisehoan’ny loza io dia nisy mamonjy voina nanao fanazaran-tena teo an-toerana. Raha ny voalaza dia niezaka nanakana ilay vehivavy nitsambikina faharoa ihany izy ireo. Tsy nisy avotra kosa ireo vehivavy roa ireo manodidina ny 30 sy 40 taona eo. Mbola tsy fantatra mazava kosa izay anton’io famonoan-tena io saingy efa manadihady ireo manam-pahefana amin’izao fotoana.
