Ambohimanambola: Nanao fitsirihana ara-teknika ny SITGAR-01
Nisy ny fitsirihana ara-teknika ny toeram-pametrahana sy fanangonana fako (Site-01) an’ny service raoka fako,ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, tamin’ny herinandro lasa teo. Nitarika izany fitsirihana izany tao an-toerana ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy.
“Ity site-01 ity moa izany no toerana hametrahana anaty fotoana voafetra ireo fako nalaina teny amin’ny tokan-trano tsirairay avy, izay misitraka ny servisy raoka fako eto an-toerana. Marihina fa ity toerana ity dia mijanona ho toerana ampiasaina ho an’ny servisy raoka fako ihany” hoy ireo tomponandraikitra misahana ny raoka fako.
“Mila entitra sy manentana tsy tapaka ny mponina ny kaominina sy ny servisy misahana ny raoka fako manoloana ny fifehezana ny mponina amin’ity resaka fanangonana fako ity. Efa tsy misy intsony ny daba-pako amin’izao ka mila fifehezana sy fanaraha-maso goavana izany” hoy I Sendra, mponina ao Ambohimanambola.
Raha tsiahivina tokoa dia nisy ny fanafoana ireo toerana fanariana fako ho an’ny daholo be ao amin’ny kaominina Ambohimanambola ho fampiharana ny servisy Raoka fako. Ity farany izany mifotra amin’ny fangalana ny fako isan-toka-trano, ary misy ny sarany alohan’ny mponina ao anatin’izany.
Manitra R.
