ActualitésTatitra

Etats-Unis : Lehilahy amerikanina mainty hoditra iray efa nigadra 28 taona no voaporofo fa tsy meloka

Tafavoaka ny fonja ny herinandro lasa teo, teo amin’ny faha-50 taonany i Lamar Johnson rehefa nigadra an-tranomaizina nandritra ny 28 taona noho ny raharaha famonoana olona. Ny taona 1994 izy no nohelohin’ny fitsarana namono lehilahy iray nantsoina hoe Marcus Boyd, izay notifirin’olona roa nanao saro-tava. Lehilahy iray hafa atao hoe Phil Campbell no niara nampidirina am-ponja tamin’i Lamar Johnson tamin’izany saingy niaiky heloka io lehilahy io ka nigadra 7 taona monja.

Teo amin’ny faha-22 taonany i Lamar Johnson no nampidirina an-tranomaizina. Hatramin’izany fotoana izany dia tsy nitsahatra izy nanambara fa tsy meloka. Tamin’ny fotoana nisehoan’io trangam-pamonoana olona io mantsy dia niaraka taminny olo-tiany tany amin’ny kilometatra maromaro nisehoan’ny tranga i Lamar Johnson.

Ny mpampanoa lalan’i Saint-Louis, Kim Gardner nampian’ny fikambanana Innocente Projet, miaro ireo voafonja tsy tamin’ny rariny kosa no nametraka ny fangatahana ho an’ny famotsorana an’i Lamar Johnson ary izao nahomby izao.

Laisser un commentaire