Espagne : Vehivavy iray naka endrika mpitsabo ary naka an-keriny zazamena vava
vehivavy iray 24 taona no naka endrika mpitsabo ary naka an-kerina zazamena vava tao amin’ny hopitaly iray tao Basurto, Bilao. Iray andro taorian’ny tranga ihany dia hita tao amin’ny tokonam-baravarana iray tao amin’ny Bilao ilay zaza, ary hita tany amin’ny tsy lavitry ny toerana ihany koa ila vehivavy.
Raha ny fanazavan’ny tompon’andrikitrin’ny fiarovana, Josu Erkoreka dia nikasa naka an-keriny zaza maro io vehivavy io. Niditra tamin’ny hefitra nisy vehivavy vao teraka maro tao amin’ny hopitaly izy ary nikasa nitondra ny zanak’ireo vehivavy saingy tsy nahomby izany. Efa tsara homana ny teti-dratsin’io vehivavy io nilaza tamin’ny mpiray vodirindrina taminy izy fa bevohoaka ary efa nahita « poussette » mihitsy tao an-tranony.
