Dépêches

Toetr’andro : Nahitana avandra tamin’ny toerana maro teto Madagasikara ny faran’ny herinandro teo

Dépêche 24 octobre, 17h, Nahitana orana nilatsaka teto amin’ny tanin’ny Madagasikara ny faran’ny herianandro teo na dia mbola ao anatin’ny vanim-potoana lohataona aza isika. Nahagaga ny maro ny nahita avandra betsaka niaraka tamin’izany orana izany, nahazo izany ohatra ny tany Antanifotsy, Antsirabe, Betafo, Manjakandriana … Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ireo fanimbana ny tontolo iainana daholo no anton’ireny. Nilatsaka ny orana, tsy mbola azo hinoana ny hitohizany ka mbola mila mailo izany ho an’ireo tantsaha aloha mba tsy hanimba ny voly. 

Laisser un commentaire