Fanafarana vary : Nitombo ny filàn’ny mponina tamin’ity taona 2022 ity.
Dépêche 30 décembre, 14h30, Niakatra 10.17% noho ny tamin’ny taona lsa ny fatran’ny fanafarana vary avy any ivelany ho an’ny Madagasikara tamin’ity taona 2022 ity. Mbola mitohy hatrany anefa izany fiakarana izany satria ratsy ny toetr’andro ka mihena ny vokatra eto an-toerana. Misy ihany koa ireo faritra izay tsy afaka mamokatra noho ny antony samihafa. Raha 629 414taonina izany ho an’ny taona 2021 dia efa nahatratra hatramin’ny 600 000taonina kosa izany tamin’ny 10 volana voalohany tamin’ity taona ity. Ny volana roa mbiny anefa dia tsy maintsy mbola nisy hatrany ny fanafaran. Toerana mbola tena mamokatra i Madagasikara, tokony hokarakaraina ny foto-drafitr’asa rehetra mba hahafahana mampihena ny fanafarana betsaka loatra.
