Anjeva : Hisy ny « Bal Populaire » ao Afovoantsena ho famaranana ny taona 2022
Hisy ny bal populaire, rahampitso manomboka amin’ny 8ora alina ao Ampovoantsena, kaominina Anjeva gara. Hetsika sy lanonana ho famaranana ny taona izany, izay karakarain’ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ireo mpiara-miasa.
« Ao anatin’ny hetsika izay famaranana ny ity taona ity dia tsy avelantsika hangiana ny tanàna. Tahaka ny efa mahazatra moa, izay tsy hita ny maharatsy azy koa dia hanasana antsika rehetra fa tsy mialon-jafy ny hetsika » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Mahazo ny anjarany hatrany ny sokajin-taona rehetra eto amin’ny kaominina. Hisaorana ireo tompon’andraikitra nikarakara satria anisan’ny nangataka ny hetsika izahay tanora » hoy i Ntsoa, mponina ao Anjeva.
Anisan’ny fotoan-dehibe hiarahan’ny rehetra, indrindra fa ny tanora, mifaly tokoa ny hetsika tahaka izao. Marihina moa fa maimaim-poana ny fidirana amin’ity fety ity.
Manitra Ramanantsoa
