Fandraharahana ara-tsosialy : Nahazo fiofanana mahakasika ny fiompiana ireo tanora beazina ao Ambohibao
Efa maro ireo tanora ankehitriny no miditra amin’ny sehatry ny fandraharaha, tsy votaery fandraharahana ara-toekarena ihany anefa izany fa eo ihany koa ny ara-tsosialy. Toy ity izay nataon’ireto mpianatra miisa 6 avy ao amin’ny sekoly ambony Inscae ireto. Nanolotra fampiofanana mahakasika ny fambolena ho an’ireo tanora beazina ao amin’ny « Akany felana maitso Ambohibao » izy ireo. Ity akany ity izay mitaiza zaza sy tanora sembana.
« Nosafidianay manokana ny akany felana maitso noho ny fahatsapan-tenanay fa tsy dia maro mpijery ny olona sembana. Manana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena anefa izy ireo ka rarainy raha omena tosika mba hahafahany mivoatra eo amin’ny fiainana. Fampiofanana mahakasika ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina no natolotra azy ireo tamin’izany. Mora karakaraina izy io ka na manana olana ara-batana aza izy ireo dia tsy manana fahasahiranana ny amin’izany », hoy ireo mpianatra tompon’ny tetikasa.
« Tafiditra ao antin’ny fandaharam-pianaranay ny “comportement du manager” ka izay no nandrisika hanatanteraka ity fampiofanana ity. Ny tanjona napetrakay dia ny hanampy ny akany hanana loharanom-bola matotra ho entin’izy ireo mivelona ary koa mba hahafahan’ireo zatovo eo anivon’ny akany hahaleo tena sy hivonona sahady hisehatra eo amin’ny tontolon’ny asa. Nanangana ihany koa ivon-toerana fiompiana ary nanolotra akoho gasy 50 isa miaraka amin’ny kojakoja sy ny Saladin-bony izahay ho fanampiana azy ireo hatrany », hoy hatrany ny fanazavana.
« Raha hiandry ny fitondrana foana vao hanao zavatra dia miandry vasoka. Finiavana avy amin’ny tanora toy izao dia efa mety hampandroso ny firenena iray manontolo. Ny fampianarana arak’asa no tokony himasoana satria io no tsy ampy ny tanora maro amin’izao fotoana izao », hoy ny tompon’andraikitry ny Akany Felana Maitso tamin’ny lahateny fankasitrahana nataony ireto mpianatra nanolotra fampiofanana ireto.
Sehatr’asa ahafahana mampivoatra ny tanora toy izao ka hirariana ny hitohizany ho an’ny toerana maro fa tsy hijanona eo amin’ny Akany Felana Maitso irery ihany. Ireo manana fahaizana amin’izany ihany koa dia tokony hampita ny fahaiza-manaony amin’ny manodidina mba handray anjara amin’ny fampandrosoana ifotony.
Miora Raharisolo
