ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Notolorana mari-pahaizana ireo mpianatra mendrika tamin’ny taom-pianarana 2021-2022

Notoloran’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambohimangakely mari-pahaizana ireo mpianatra mendrika tamin’ny taom-pianarana 2021-2022. Tahaka ny fanaon’ny kaominina isan-taona, misy ny fivoahana izay atao any amin’ny faritra Itasy miaraka amin’ireo mpianatra mendrika, izay tarihin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, ka nandritra izany no nanoloran’izy ireo ny mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra ireo.

« Anisan’ny hetsika iray manentana ny mpianatra hanao ezaka ny fitondrana sy ny fifampitaonana miaraka amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ny fitsidihana toerana mahafinaritra tahaka izao. Izay no hanentanana hatrany ireo mpianatra hilofo sy hanao ezaka satria ny fianarana no lova tsara indrindra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

« Mitaky ezaka amin’ireo mpianatra mba hanohy sy tsy ho kivy amin’ny fianarana. Fitaratra ho an’ny hafa ny hetsika tahaka izao. Fa indrindra mamporisika ireo zandry, zanaka manaraka mba hanome ny tsara hatrany ary izay tokoa no handrasana satria miteraka fandrosoana ho an’ny tsirairay » hoy i Blandine, mpampianatra.

Ny soa fianatra, hoy ny oha-pitenena malagasy. Anisan’ny manohana ny lafin’ny fampianarana ny fijerena ny ezaka hataon’ny mpianatra tahaka izao. Ilaina anefa etsy ankilan’izany ny manohana ireo tanora amin’ny lafin’ny fiofanana arak’asa sy ny fotodrafitr’asa na sehatra mifanaraka amin’izany mba tsy ho very maina ireo fahaizana noratovina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire