Masindray : Misy fifaninanana an-kira
Miezaka mivelatra amin’ireo zava-kanto mahaliana ny tanora ny ao Masindray. Eo ny fifaninanana dihy, ary eo ihany koa ny fifaninanana hira. Hotontosaina ny 24 aprily ho avy izao ny fifaninanana an-kira ao Masindray Tsena. »Tena mahafinaritra ny hetsika tahaka izao. Sady miala voly ny olona no miaina araka ny talentany ny tanora. Mila ampiroboroboana hatrany ny talentan’ny tanora mba ho lasa fahaizana sy fidiram-bola avy eo » hoy i Rodolph, mpitendry zava-maneno. « Tena tiako ny mihira. Isaorako ny mpikarakara nanome sehatra anay tanora toy izao. Ny talenta tokoa raha tsy avoaka dia toa tsy misy dikany izany » hoy i Landy, tanora avy ao Masindray.Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’izay te handray anjara amin’ny fifaninana. Tsara tokoa ny hetsika ara-java-kanto tahaka izao eo ami’nny fampandrosoana ny tanàna.
