Ho foana amin’izay ve ny tsy fandrim-pahalemana ?
Tsy niandry ela fa namory ireo teo amin’ny fihadidiany avy hatrany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena andro vitsy tao aorian’ny fifamindram-pahefana.
Tsapa tokoa fa nirongatra tato ho ato ny tsy fandriam-pahalemana na teto an-drenivohitra na tany amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Efa tsy matahotra intsony ireo olon-dratsy fa na amin’ny andro atoandro aza dia manao ny asa ratsiny. Vao tsy ela akory izao no nahatratrarana andian-jatovo telo ambin’ny folo, nangalatra sy mpivarotra zava-mahadomelina teto Andrenivohitra. Tsy nipetra-potsiny fa nampiatso avy hatrany ireo olona feheziny ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena manoloana ireo tranga maro, mba hanomezana ny toromarika sy nametrahana ny paikady vaovao, « fanamby ny hanatanterahina ny vina voalohany izay hamerenana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy » hoy izy nandritry ny laha-teniny.
« Mbola azo itokisana ve ireo mpitandron’ny filaminana amin’izao fotoana izao noho izy ireo malaza ho mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo sy ireo olon-dratsy? Efa re matsy fa kopaka isasahana io, ary izy ireo mihitsy aza no manome ny mombamomba ireo hiaran-doza » raha naneho ny heviny i Raymond, mponina eny Ambohidratrimo.
Nilaza ny teo anivon’ny Ministera fa « ho hentitra izy ireo ary tsy hanaiky velively ny firaisana tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy. Adidin’ny mpitandron’ny filaminana ny miharo ny vahoaka sy ny fananany fa tsy ho izy ireo indray no sanatriavina hivadika palitao ».
Hisy arak’izany ny paikady fidinana ifotony ho fanetsehana ireo mpitandron’ny filaminana isan-tsokajiny avy ho fanatanterahana ny velirano voalohany izay nampanantenain’ny Filoha « Fitoniana sy fandriam-pahalemana ».
Fanja Rakotoarisoa
