ActualitésTsidika

Mananontanona an’i Madagasikara ny « variant Delta »

Tafiditra tao anatin’ny lahan-teny nataon’i Filoha farany teo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy fa hisy sidina manokana miala avy ao Paris hatao ho fampodiana ireo tera-tany Malagasy any amin’ny faritr’i Europe. Tao aorian’izay dia nisy ny fanambarana fa hisy ihany koa ny sidina izay hiainga avy ao Addis-Abeba ho fampodiana tera-tany Malagasy.

Fantatra fa efa mianaka ary tena mandripaka mihoatra ilay hendriny teo aloha ity « variant delta » ity, efa maro ireo firenena tsy hafa-bela ary niverina nihiboka sy nanidy indray ny sisin-taniny. Anisan’ireo efa nahitana ity « variant » ity ireo Nosy rahavavy eto amin’ny ranomasim-be Indianina herinandro vitsy lasa izay. « Hampody ireo tera-tany efa miisa ho 1. 500 mahery kely eo anefa ny fitondrana Malagasy ny faran’ny volana Aogositra izao, ary tsy azo hiodivirana ny hahatongavan’izany « variant delta » izany eto amin-tsika ny volana Septambra » raha araky ny fanehoan-kevitr’i Marie-Louise, olon-tsotra sendra anay.

Etsy andaniny anefa, hentitra ny fanjakana ny amin’ny fametrahana ireo fehipetra izay tsy maintsy arahain’ireo tera-tany izay mikasa ny hody eto antanindrazana. Anisan’izany ny fanaovana fitiliana alohan’ny hialana ao Paris ary dia tsy maintsy mihiba ny valiny, ao koa ny tsy maintsy hijanonan’izy ireo 5 andro any amin’ny hotely efa voatokana mandra-piandry ny valin’ny fitilina indray izay ho atao rehefa migadona eny amin’ny seranam-piara-manidina Ivato.

« Ny Malagasy efa zatra tsy manara-dalana koa ahoana no tena hahatokisana fa tena hihiboka tokoa izy ireo rehefa tonga aty? Efa maro ihany koa ireo olona manana hevi-petsy mahay mampi-hiba ny fitiliana izay atao. Tsy adala ny Ntaolo raha nilaza fa ny ratsy tsy kely lalana » araky ny fanehoan-kevitr’i Miora, mpianatra ho mpitsabo.

Tokony hitandrina hatrany ny olom-pirenena tsirairay arak’izany amin’ny fanajana ireo fepetra sakana fa tsy ho sodokan’ny hoe efa mihidina ny salan’isan’ireo olona mitondra ny tsimok’aretina

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire