Alasora : Nisy ny fanavaozana ny EPP Mendrikolovana
Nisy ny fanavaozana tao amin’ny EPP Alasora Mendrikolovana ny 17 aogositra 2022 lasa teo. Marihina fa isan’ireo EPP miisa 12 ao amin’ny kaominina ny EPP Mendrikolovana, izay eo an-dàlam-panamboarana sy fanatsarana tanteraka amin’izao fotoana izao.
Mijaly ny mpianatra noho ireo ef izay tena efa ratsy hoy ny talen’ny sekoly, ka izany indrindra no antony nanaovana izao foto-drafitr’asa fanavaozana izao indray. Hitohy any amin’ireo EPP hafa ny asa fanatsara sy fanamboarana fa tsy hijanona ao amin’ny EPP Mendrikolovana fotsiny ihany.
Famenontsoa Rajerison
