ConseilTsidika

Solex : Toeram-pasakafoanana miavaka, na eo amin’ny tsiro na ny toerana fandraisana

Toerana fivarotana hani-masaka anisan’ny miavaka kely ny Solex eo Ambodivoara, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ao. Eo anoloan’ny rond point eo mihitsy no ahitana azy. Miavaka izy satria, amin’ny Solex azy, dia amin’ireo fiara ireny no nosafidian’ireo tompony hanaovana ity toeram-pisakafoanana ira ity.

« Safidy manokana mba ihavahana amin’ireo toeram-pisakafonana mazatra ny Solex. Tsy mihen-danja amin’izany fiahavana amin’ny toerana fandraisana izany anefa ny sakafo izay karakaraina sy atolotra ny mpanjifa ato an-toerana. Izahay ihany koa dia manana ireo mpahandro efa manana traikefa sy havanana amin’ny fanaovana sakafo » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Solex.

« Tena tsara ny sakafo ato amin’ny Solex. Na eo amin’ny tsiro na eo amin’ny kalitao, satria raha mividy sakafo mafana ianao dia amin’ilay mafana tsara tadiavinao no atolotr’izy ireo. Tahaka izany ihany koa raha mangatsika no tiana ho hanina. Madio sy miavaka tsara ihany koa. Izahay dia tena afa-po ary efa mahazatra ny fisakafoanana ety » hoy i Herimalala, mpanjifa ao amin’ny Solex.

Maro karazany ny sakafo hita ao amin’ny Solex. Misy ny lasopy, ny compose, ny vokatra azo avy amin’ny ronona sy ny maro hafa izay zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra kanefa azo antoka sy tsara kalitao.

Manitra R.

Laisser un commentaire