ConseilTsidika

Ste Chandarana et Cie: Mivarotra fitaovam-pianarana amin’ny kalitao tsara sy azo antoka

Tranom-barotra anisan’ny mivaka amin’ireo fananany vokatra tsara amin’ireo entana amidy ao amin’ny ny Ste Chandarana et Cie. Amin’izao fidiran’ny mpianatra izao, miezaka misarika ireo ray aman-dreny hatrany izy ireo mba hanjifa ny fitaovam-pianarana tsara kalitao sy azo antoka ho an’ireo mpianatra.

« Mbola ao anatin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra hatrany amin’izao fotoana izao ny rehetra. Ao antin’izany ihany koa dia miezaka hatrany ny tranom-barotra manamora ny filàn’ireo ray amandreny sy ny mpianatra amin’ny alalan’ny fividianana ireo fitaovam-pianarana tsara sy azo antoka. Tahaka ny efa nahalalana azy hatramin’izay dia maro ireo afa-po sy matoky ny vokatra amidy eto amin’ny tranombarotra » hoy ireo tompon’andraikitra ao an-toerana.

« Misy ireo marika amin’ny fitaovan’ny mpianatra tena tsara ato ary tsy hita any amin’ny hafa ato amin’ny Ste Chandarana et CIE. Ny kalitao ihany ny azy ireo dia araka ny filàn’ny mpianatra mihitsy ka izay no mahatonga anay nisafidy ny hiantsena fitaovan’ny mpianatra ato. Efa mpiantsena ato ihany koa ary efa mahita izany fahatsarana izany » hoy i Lalatiana, renim-pianakaviana.

Misokatra manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy, manomboka amin’ny 08ora maraina ka hatramin’ny 04 ora hariva moa ity tranom-barotra ity. Eny Analakely moa no ahitana ny tranom-barotra ary manana annnexe ihany koa izy ireo eny Tanjombato.

Afaka tsidihina ny pejy facebook https://web.facebook.com/profile.php?id=100064091558115

Manitra R.

Laisser un commentaire