SocialTsidika

Tetik’asa « Fanjakana ho an’ny Daholobe » ho an’ny asam-panjakana

Mivelatra amin’ny sehatra rehetra ny kolikoly vokatry ny tsy fanarahan-dalàna sy ny tsy fanarahana ny lamina eto amin’ny tany Repoblikan’i Madagasikara. Efa misy ny Birao misahana ny ady amin’ny kolikoly toy ny Bianco, saingy tsy mahasehaka ny sehatra rehetra. Ny olona eny im-potony no tena tompon’andraikitra amin’ny fanoherana izany ka sahy hilaza izany any amin’ny Bianco mba handraisan’izy ireo andraikitra. Ankehitriny nantsangana indray ny tetik’asa « Fanjakana ho an’ny daholobe » izay natao mba hisian’ny mangarahara eto amin’ny firenena. Notohanan’ny Union Européenne ity tetik’asa ity ka mahatratra 12 tapitrisa Euros (55 000 tapitrisa Ar) ny vola ho ampiasaina amin’izany. Nantsangana ihany koa mba hanatsarana ny asam-panjakana Malagasy ka hanampiana ireo Minisitera maromaro mba handroso kokoa hampiasa ny hairaha sy hiadiana amin’ny kolikoly. Miisa 5 ny Ministera hananganana izany tetik’asa izany : ny minisiteran’ny fitsarana, ny fahasalamana, ny fiofanana arak’asa, ny fampianarana ambony. Homanina mandritra izany ny fandaharan’asa mandritra ny taona indrindra ireo vola ampiasaina mandritra ny taona. Ny tetik’asa « Fanjakana ho an’ny daholobe » dia hahafahana ihany koa mahita ny rariny sy ny hitsiny manodidina ny asam-panjakana izany hoe hahafahana mahita izay trangana kolikoly hita. Eo ihany koa ny « application » Augure izay ahafahana mandanjalanja ny karaman’ireo mpiasam-panjakana satria nahitana vola maherin’ny 100 000 tapitrisa Ar very ao anatin’ny herintaona noho ny fikorontanana sy ny olana amin’ny fanarahana ny fandoavana ny karama. Misy zavatra tsy ara-dalàna ao ka izany indrindra no nanaganana izao tetik’asa izao, izay nidirana kokoa tany amin’ny teknôlôjia.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire