Antsiranana : Vehivavy mpisoloky milaza ho mahay mampitombo vola no voasambotra
Vehivavy iray 35 taona, mpisoloky amin’ny fampitomboana vola, no voasambotry ny Polisy tany Antsiranana. Milaza ho mahay mampitombo vola amin’ny alalan’ny vata kely ity vehivavy ity.
« Miresaka amin’ny olona izy ary mampiseho ny fahaiza-manaony amin’ilay vata kely eo. Tena vola no ampiasainy amin’ny voalohany. Misy amin’ireo namany no miaraka mijery amin’ireo olona eo ka mody gaga mahita ny zavatra ataony. Mamporisika ireo mpijery hanao izany avy eo » hoy i Orlando, mponina ao Antsiranana. « Nitory taty amin’ny Polisy ny lehilahy iray voasolokiny tamin’ny vola 2 tapitrisa ariary. Tratra ilay ramatoa raha mbola tadiavina kosa ireo mpiray tsikombakomba taminy. Efa tsy hita teny aminy intsony ilay vola » hoy mpitandro filaminana any an-toerana.
Efa betsaka ireo tratran’ity vehivavy ity. Mbola mitohy ny fanadihadihana ataon’ny Polisy amin’ny fikarohana ireo namany.
Nicole Rafalimananjara
