Cameroun : Nanomboka ny hetsika fanaovam-bakisiny miady amin’ny tazomoka
Nanomboka ny hetsika fanaovam-bakisiny, enti-miady amin’ny aretina tazomoka, i Cameroun, nanomboka omaly alatsinainy. Fotoana iray manamarika ny tantara ho an’ny firenena ny fanatanterahana izany, satria anisan’ny aretina mamono zaza indrindra eto afrika ny aretina tazomoka.
Araka ny nambaran’ny vondron’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana na OMS, dia mamono olona hatrany amin’ny 600.000 isan-taona ny aretina tazomoka, izay aretina vokatry ny kaikitry ny moka ity ka ny 95% dia avy eto Afrika. Ho an’ny kantinanta Afrikanina, ny zaza latsaky ny 5 taona no tena lasibatra , ka ny 80% dia mamoy ny ainy avokoa. Ity farany izay antony nahatonga ny firenena Camerounais hanao ny vaksiny enti-miady amin’ity areti-mandoza ity.
