Ambohimanambola : Lehilahy iray voasambotra niaraka tamin’ny bisikileta nangalariny
Lehilahy iray no voasambotra niaraka tamin’ny bisikileta nangalariny ; tao amin’ny kaominina Ambohimanambola, ny faran’ny herinandro teo. Efa ela no nampiahiahy ity lehilahy ity, ary efa niandry azy ny fokonolona sy ny zandary ka izao tratra izao, araka ny voalaza.
« Noho ny tanamaron’ny fandriampahalemana dia tratra ihany ity lehilahy iray efa noahiahian’ny zandary sy ny fokonolona efa ela. Efa nisy ny fikarohana azy noho ny resaka vaky trano ka izao voasambotra niaraka tamin’ny bisikileta avy nangalariny izy ny alin’ny 19 janoary teo » hoy ny avy amin’ny poste avancé an’ny zandarimaria ao an-toerana.
« Mamely ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana, indrindra fa ny hala-botry samihafa. Angatahana amin’ny tomponandraikitra indrindra ny mpitandro filaminana mba hanao ny andraikiny, indrindra amin’ny famaizana sy ny fanasaziana ireo tratra manaoasa ratsy satria anisan’ny mampitondra faisana ny vahoaka,izay efa anaty fahasahiranana izy ireny » hoy i Zo, mponina ao Ambohimanambola.
Hetsika iray anisan’ny mahomby amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna ny hetsika tanamaron’ny fandriam-pahalemana. Ireo zandary sy tomponandraikitra amin’ny filaminana ihany koa dia tsy mitsahatra manentana ny mponina mba hifanome tanana amin’ny fampanjakana izany.
