Talata Volonondry : Nisy ny hetsika ara-pahasalamana tao amin’ny kaominina
Nisy ny hetsika ara-pahasalamana tao amin’ny kaominina Talata Volonondry, ny fiandohan’ny herinandro teo. maro tamin’ny mponina tao an-toerana no nisitraka sy nahazo tombotsoa nandritra izany, araka ny voalaza.
« Maro ny vahoaka nisitraka fizaham-pahasalamana sy fanafody maimaim-poana tamin’ity anio ity. Teo ihany koa ny fandrindram-pahaterahana, vakisiny, sy ny maro hafa. Mankasitraka hatrany ny fitondram-panjakana, ny ministeran’ny fahasalamana, sy ny SDSP Avaradrano manohy ny asa sosialy eto amin’ny kaominina sy mitsinjo ny vahoaka sahirana » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Tena ilain’ny mponina ny hetsika tahaka izao. Ny fiainana moa efa sarotra amin’izao ka tsy araka intsony ny fanarahana fitsaboana sy ny fizaham-pahasalamana ka hisaorana ny kaominina nanolotra ny hetsika satria tena mahavonjy » hoy i Solange, mponina ao Talata Volonondry.
Manao ezaka hatrany ny kaominina Talata Volonondry amin’ny fanampiana sy ny fanohanana ny vahoaka, indrindra eo amin’ny lafin’ny ara-tsosialy. Ny hetsika ara-pahasalamana izao moa dia anisan’ny fitsinjovana ny mponina.
