SocialTatitra

ONU : Nahitana fihenana ny tahan’ny zaza maty latsaky ny 5 taona

Nahitana fihenana ny tahan’ny fahafatesan’ny zaza latsaky ny 5 taona, raha ny nambaran’ny firenena mikambana. Nidina ho ambanin’ny 5 tapitrisa ny tahan’ny zaza maty, latsaky ny 5 taona, ny taona  2022, izay tsy mbola hatramin’izay, hoy hatrany ny ONU. Efa azo heverina ho vaovao tsara sy zava-dehibe ny fiovana teo amin’io taha io, ary anisan’ny firaketana ara-tantara satria voalohany no nisy izao fihenana ambanin’ny 5 tapitr’isa izao, izay 4,9 tapitrisa izany. io taha vaovao 4,9 tapitrisa io izay maneho ny fihenana 51% hatramin’ny taona 2000, raha toa ka 62% izany hatramin’ny 1990.

 Hita misongadina ity fiovana ity any amin’ireo firenena an-dalam-pandrosoana sasany toa an’i Malawi, Rwanda, RDC, Cambodge ary Mongolie, izay nahitana fihenana hatramin’ny 75% hatramin’ny taona 2000. Izany moa dia vokatry ny fihatsarana eo amin’ny fandraisana an-tanana ny reny sy ny zaza ary ny fisian’ireo mpampivelona manara-maso ny fahasalaman’ny zaza. Na eo aza anefa izany , dia mbola maro ireo firenena ahitana taha ambony amin’ny fahafatesan’ny zaza latsaky 5 taona.

Laisser un commentaire