SocialTatitra

Allemagne : Hanao fitokonana mandritra ny enina andro ireo mpamily fiaran-dalam-by

Niantso ireo mpamily fiaran-dalamby hanao fitokonana mandritra ny enina andro ny avy amin’ny syndicat GDL ao Allemagne, manomboka rahampitso alarobia, raha tsy mbola mivaha ny olana eo amin’ny tambin-karama sy ny ora fiasana miaraka amin’ireo mpandraharaha Deutsche Bahn, araka ny voalaza.

Eo amin’ny fitaterana ireo mpandeha, hitsahatra manomboka ny alarobia amin’ny 02ora maraina (ora any an-toerana) ny asa ataon’ny mpitatitra. Ho an’ny fitaterana entana kosa dia hanomboka ny talata amin’ny 06ora (ora any an-toerana) ny fitokonana. Tsy hifarana raha tsy ny alatsinainy 29 janoary, amin’ny 6ora hariva ny hetsika.

Laisser un commentaire