ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mpangalatr’omby avy any Arivonimamo, tratra tao Tsarahasina

Dahalo mpangalatr’omby nitsoaka, avy any amin’ny kaominina Ambohimandry, distrika Arivonimamo, no tratra rehefa nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny zandarimaria, ny zoma lasa teo. Ny 05 janoary alina no nangalatra omby tany an-toerana ity lehilahy ity ka nandositra ary tratra tao amin’ny lalan’i Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, araka ny voalaza.

« Nangalatr’omby miisa 4 tao Antanetikely, fokontany Mandrosoa, kaominina Ambohimandry Distrika Arivonimamo ity dahalo ity. Tratran’ny mpanara-dia tao an-tranony ny omby iray, ny roa hita teny am-panarahan-dia. Ny iray maty novonoina teny an-dalana. Taorian’izay dia voasambotra ny vadin’ity dahalo ity ary efa voatazona any am-ponjan’Arivonimamo. Namoahan’ny fitsarana didy fikarohana sy fampisamborana kosa izy » hoy ny zandarimaria.

« Fampitam-baovao sy fampilazana fikarohana, nataon’ny brigady Imerintsiatosika no nahafahana nisambotra ity lehilahy ity. Ny zoma 19 janoary tamin’ny 02ora tolak’andro no tsikaritry ny zandary avy amin’ny brigadin’Ambohimangakely izy ka nosamborina avy hatrany » hoy hatrany ny fanazavana.

Hanohizana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity moa dia natolotra ny poste avancé Ambohimandry ity lehilahy ity ary arahana ihany koa ny mahakasika ny vadiny anya m-ponja.

Laisser un commentaire