Ethiopie : Foko miaina lavitry ny fivoarana ny Surmas
Ny Surmas, na Suri, dia foko iray ahitàna misy olona manodidina ny 20 000 eo ho eo, monina ao amin’ny lohasahan’i Omo ao Ethiopie. Isany mampiavaka ny Surmas ny fitiavana haingo amin’ny alalan’ny kisarisary amin’ny tarehy sy ny vatana vita avy amin’ny akora voajanahary. Samy manana ny heviny izany raha ny fanazavana toy ny fanintonana vady na fampitahorana fahavalo.
Isan’ireo foko aty Afrique mampiasa ny « labret », ilay boribory fisaka atao eo amin’ny vava io ihany koa ny vehivavin’ny foko Surmas. Arakaraky ny haben’izay « labret » izay ny vola (dot) omen’izay maniry haka vady vehivavy iray raha ny fanamafisana ary misy mahatratra hatrany amin’ny omby 60 isa any ny sandan’izany.
Toy ny an’ny Malagasy dia marika harena ihany koa ny fananan’omby ho an’ireo Surmas. Tsy mandia fianarana izy ireo fa ny hanana omby betsaka indrindra no tanjona apetraka ao an-dohan’ny Surmas dieny mbola kely izy.
