Filohan’ny FMF: Nasiana sivana ny filatsahan-kofidina
Nilaza ny tomponandraikitra misahana ny fifidianana sy fitarainana eo anivon’ny FMF fa hisy ny sivana ho an’ireo kandidà hirotsaka hofidina sy ho mpikambana « Comité exécutif ». Anisan’ireo sivana takina ny fandraisana ny taratasy fiantohana avy amin’ireo ligy 22 misy eto Madagasikara.
