SSMAF: Hatramin’ny 30 Aogositra ny fandraisana anaran’ireo te handray anjara
Mbola mitohy hatrany ny fandraisana anarana ho an’ireo izay te handray anjara amin’ny hetsika SSMAF izay atao eny amin’ny kianja Antanimenakely, kaominina Ambohimangakely, ny 01, 02 ary 03 Aogositra izao. Eny amin’ny ivon-toerana BTC, anelanelan’ny Gallodrome sy ny Jovena double Ambohimangakely no hanatanterahana ny fisoratana anarana, araka ny voalaza.
“Ny foire economique SSMAF dia tsena be misokatra ho an’ireo mpisehatra ara-ekonomika rehetra tsy ankanavaka. Na ny mpandraharaha na ny mpamatsy vola sy ireo mpamongady na ny olon-tsotra, afaka mandray anjara avokoa ka hasaina ho tonga hisoratra anarana ety amin’ny BTC satria mbola misy ny fandraisana anarana hatramin’ny 30 Aogositra” hoy i Hasina, tomponandraikitra ao amin’ny SSMAF.
“Hetsika iray hanomezana sehatra ny lafin’ny ara-ekonomika ity tsenabe ity. Amin’io fotoana io dia maro ireo zavatra hiseho, fanararaotra ho an’ireo te ho matihanina amin’ny fitantanana sy ny varotra, ny fandraharahana sy ny maro hafa. Ahitana zava-baovao ihany koa ary azo trandrahana soa aman-tsara ho fanatsarana ny fidiram-bola na ny zavatra atao” hoy hatrany ny fanazavana.
Ao anatin’izany moa dia hisy ny fampirantiana trano heva mandritra ireo andro hanatanterahana ny hetsika. Ireo trano heva ireo izay marihina fa an’ireo mpandray anjara, entina hampahafantarana ny sehatra sy ny vokatra ao aminy ka tiana ho fantatra sy ny maro hafa.
Manitra R.
