Belgique : Fandresena misesisesy ho an’i Ott Tänak
Manesisesy ny fandresena i Ott Tänak (Hyundai). Nahazo ny fandresena fahatelony tamin’ny Rallye d’Ypres izy ny alahady teo rehefa avy nibata ny amboara tao Finlande tamin’ny herinandro. Anisan’ireo mpifaninana sangany tokana tsy voafitak’ireo fandrika teny amin’ny lalan-terin’ny Westhoek ao Flandres ity mpanamory ity.
Mbola mitana ny laharana vonjimaika maha tompondaka eran-tany tamin’ny fihodinana 9 amin’ny 13 kosa i Kalle Rovanperä (Toyota) na dia faraparany tamin’ny filaharana aza. Nahazo isa 5 tamin’ny « Power Stage » farany ny tenany.
