Imerintsiatosika : Zandary iray maty notsatohan’ny miaramila antsy
22 Aogositra, 16h15, Zandary iray no maty voatsatoka antsy teo amin’ny kibony sy tehezany havia nataona miaramila kilasy faharoa tao amin’ny fokontany Ambohitrantenaina Imerintsiatosika, ny sabotsy 20 aogositra lasa teo.
Vokatry ny amamoana teo amin’ireo miaramila nandritra ny famadihana nisy tao an-toerana no voalaza fa antony nahatonga ny tsaton-kantsy teo amin’ilay zandary izay maty tsy tra-drano. Efa voasambotra ary miandry ny valin’ny fanadihadiana azy ity miaramila nahavanon-doza ity.
