Dépêches

COVID-19 : Nahitana fihenana ny tahan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina.

Dépêche 03 janvier, 13h, Toy ny fanao isaky ny faran’ny herinandro dia mivoaka hatrany ny antotan’isan’ireo olona izay mitondra ny tsimok’aretina. Nahitana fihenana izany raha ho an’iny herinandron’ny faran’ny taona iny. Miisa 15 ireo olona vaovao mitondra ny tsimok’aretina ka 62 sisa izy ireo no mitsabo tena ao anatin’izany. Nahitana fahafatesana olona 2 kosa anefa. Na dia eo aza anefa izany dia ilaina hatrany ny mitandrina sy mailo ary mampiasa ny fepetra sakana hahafahana miaro tena sy miaro ny hafa. Ny tena zava-dehibe indrindra dia ny fanasana tanana matetika no atao fahazarana.

Laisser un commentaire