ActualitésTatitra

Maurice : Lasa fitaterana be mpandeha ny tramway

Nanomboka ny 22 desambra 2019 no niasa ny Tramway tao amin’ny nosy Maurice. Raha ny tatitry ny minisitry ny fitaterana tao an-toerana, Alan Ganoo dia nahatratra 12 tapitrisa ny mpampiasa azy tao anatin’ny telo taona nisiany. Lasa fitaterana tena malaza sy be mpandeha ny tramway hoy izy ary maro ny mponin’i Maurice misafidy hampiasa izany.

Efa namarana ny dingana fahatelo amin’ny tetikasa Metro Express kosa izy ireo. Tany amin’ny tapaky ny volana novambra tany no nanao andrana izany fitaterana izany ireo tompon’andraikitra tamin’ny lalana 3,4 km. 7 minitra monja no hampifandraisan’io fitaterana io an’i Réduit sy Rose-Hill raha ny fanazavana, ary mpandeha 20 000 isa no andrasana hampiasa izany. Marihina fa natokana ho an’ny mpiasan’ny « cybercité d’Ébène », mpianatra ao amin’ny Oniversiten’ny nosy, mpampianatra ao amin’ny MIE (Mauritius Institute of Education) ary mpikaroka sy mpiasam-panjakana misehatra eo amin’ny fambolena sy fiompiana io fitaterana vaovao io.

Laisser un commentaire