Dépêches

Brickaville : Nisehoana fahamaizana nandravana trano maro

Dépêche 03 janvier, 13h30, Nitrangana hain-trano tao Brickaville ny alatsinainy maraina teo ka trtano miisa 34 no may tamin’izany. Simba ny trtano sy ny fananana ka traboina ireo mponina ankehitriny. Trano miisa 10 ihany koa no voatery narodana mba tsy hampihitatra ny afo. Vokatr’izany firehetana izany anefa dia olona miisa 6 no naratra ka efa samy nahazo fitsaboana sahaza azy avokoa. Amin’izao fotoa izao dia olona miisa 149 avy amin’ny fianakaviana 68 no tra-boina ka hangatahana ireo izay mahatsiaro manana adidy amin’izany hanolotra izay voatsirambin’ny tanany.

Laisser un commentaire