Dépêches

Fanatanjahantena : Efa azo lazaina ho vonona ireo Barea haitrika ny lalao ny alahady izao

Dépêche 16 juin, 14h, Efa tonga eto antanindrazana avokoa ireo Barea izay nantsoin’i Coach Rôrô hifanandrina amin’ny Black Stars avy ao Ghana. Taorian’ny fanomanan-tena indro isa’nandro nanomboka ny alatsinainy teo dia efa nihena izany ka indray mandeha isa’nandro ihany nanomboka omaly. Efa azo lzaina ho efa vonona ireo ekipa hoy hatrany ny mpanazatra. Hanandrana ny toeram-pilalaovana hanatanterahana ny lalao izy ireo ny sabotsy izao dia ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina izany. Ity lalao ity izay tafiditra ao anatin’ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanana ho amin’ny CAN. Marihina moa fa i Madagasiakara dia efa tsy tafiakatra intsony ao anatin’ny lalao CAN.

Laisser un commentaire