Dépêches

Petite-Vitesse : Mbola manohy ny varotra hatrany ireo mpivarotra eny an-toerana

Dépêche 03 janvier, 14h, Taorian’ny fifampiresahan’ireo mpivarotra sy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia nahazo alalana ny hivarotra teo amin’ny Petite Vitesse ireo mpivarotra ireo hatramin’ny 1 janoary. Tsy nanaraka izany fifampiresahana izany anefa ireo mpivarotra fa mbola nanohy ny asa fanaony ihany ny alatsinainy teo. Araka ny taratasy nifanarahana anefa dia vao dila io 1 janoary io dia mihazo ny tsena natokana ho azy ireo amin’izay ireo mpivarotra. Izany tsy fanarahana ny lalàna efa napetraka izany anefa matetika no miteraka ny olana ary tsara ihany koa raha manara-dalana mba hahafahana mandroso hatrany. 

Laisser un commentaire